|
|
| Accueil | Développement | Olympiques | rAz | Partenaires | Madagascar | Presse | DON | |
Mathieu sy Phillipe Razanakolona, nateraka reny Kanadianina sy ray Malagasy, dia tia hanandratra avo ny tany nihaviany ary tia hampahalala an’i Madagasikara manerana ireo firenena maro eran-tany amin’ny fombany manokana. Madagasikara izay iaraha-mahalala fa firenena manana ny maha izy azy tokoa anefa dia fantatra fa mbola sahirana aran-toekarena ka mila ny fanampiana avy amin’ny firenena aty ivelany.
Izy mirahalahy dia manomana ny handeha hiady ny voninahitr’I Madagasikara amin’ny lalao iraisam-pirenena any Turin, Italy amin’ny taona 2006 eo amin’ny taranja “Ski alpin”. Mathieu izany no ho anisan’ireo solotena Afrikanina amin’ny taranja “Ski”, izy ihany koa no Malagasy voalohany handray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena eo amin’ ny taranja mifanojo amin’ny vanim-potoan-dririnina toy izao.
Ny Lalao iraisam-pirenena dia tanjona lehibe indrindra eo amin’ny lafin’ny fanatanjahan-tena no sady fomba iray manandanja eo amin’ny lafiny fisintonana ireo orinasa sy fikambanana maro samihafa izay tia hifampiraharaha sy handray anjara amin’ny tetik’asa fampandrosoana firenena. Antony roa lehibe no mahatonga azy roalahy handray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena: dia ny hetaheta tia handrombaka ny amboara etsy ankilany ary ny faniriana tia hampandroso an’i Madagasikara etsy an-daniny, ka itony no anisan’ny hahafahana mitarika olona na fikambanana izay mety hafaka hanampy amin’ny fampandrosoana ny firenena. Noho izany indrindra no nahatonga an’i Phillipe nanangana fikambanana mahaleo-tena, “rAzlpin.org”, izay miandraikitra ny fananganana tetik’asa entina hampandroso ny firenentsika no sady mikarakara ny fandaminana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha samihafa.
Ny tarigetran’ny “rAzlpin.org” dia ny hahazoana sy hisarihana ireo mpiara-miasa matanjaka izay vonona hanohana ara-bola ny tetik’asa fampandrosoana an’i Madagasikara. Marihina fa ito tetik’asa ito dia tafiditra amin’ny "Objectifs de Développement du Millénaire” izay natokan’ny Fikambanana iraisam-pirenena (ONU) ho entina hanohanana ara-bola ny fampandrosoana maharitra ho an’ireo tany andalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara.
Tsy vitan’ny hoe atileta avy amin’ny firenena tropikaly handray anjara amin’ny taranja mifandray amin’ny vanom-potoanan’ny ririnina i Mathieu fa dia Malagasy-kanadianina tia hanandratra avo ny tany fihaviany no sady tia handray anjara amin’ny fampandrosoana ny fireneny. Sambany izany vao mba hisy Malagasy handray anjara amin’ny Lalao iraisam-pirenena toa izao, noho izany dia inoana fa ho anisan’ny fitaovana iray izay hanokatra ny lalana ho entina hanehoana ny lafin-tsaran’ny firenentsika koa izany.